<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.K. Oliver</author>
<hymn_number>91</hymn_number>
<title>O! Fitiavan-dalina FFPM91</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 O, fitiavan-dalina,
 Nasehonao ilay alina
 Izay namadihana Anao,
 Ry Jeso, fototr'aim-baovao.

[V3]
 Mangoraka erý ny fo,
 Sy ory ny fanahiko ,
 Raha mba tsaroako izao
 Ny loza izay nanjo Anao.

[V4]
 Fadiranovana Hianao,
 Nangotraka ny adinao;
 Ny dinitrao nanjary ra
 Noho ny fahoriana.

[V5]
 Izany niaretanao
 Noho ny fitiavanao,
 Ka nentinao ny heloko,
 Izay tokony ho nentiko.

[V6]
 Namita fanekem-baovao
 Ho famonjena Hianao ,
 Nasianao kase izay
 Maharitra mandrakizay.

[V7]
 Misaotra Anao ry Tompo ô !
 Fa ravo ny fanahiko
 Handray ny fanomezanao
 Eo amin'ny latabatrao.

[V8]
 Ny teninao inoako,
 Ka raisiko ho ao am-po ;
 Ny zava tsoa atolotrao
 Dia ranao sy ny tenanao.

[V9]
 Ry Jeso, amboaronao
 Ny fonay ho fonenanao,
 Ka Hianao ho tianay
 Izao sy ho mandrakizay.</lyrics>
</song>